Fitokonan’ny Sendikan’ny Mpiasan’ny JIRAMA
Fifampiresahana teto Ampandrianomby
▶️ Ampandrianomby 8 Novambra 2025 : manoloana ny fitokonana ataon’ny mpikambana amin’ny Sendikan’ny Mpiasan’ny JIRAMA (SMJ), dia niantso fifanatonana sy fifampiresahana, ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Nahitana ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Atoa RALITERA Ny Ando Jurice, ny Minisitry ny Rano, ny Fidiovana sy ny Fahadiovana (MEAH), Rtoa RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, ary ny Tale Jeneralin’ny Orinasa JIRAMA, Atoa Ron WEISS. Tanjona voalohany ny fitondrana vahaolana amin’ny famatsiana jiro sy rano ho fitsinjovana ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy sy ny Firenena.
❇️ Nambaran’ny MEH, Atoa RALITERA Ny Ando Jurice, fa voaray ny hetahetan’ny SMJ, ary narosony androany ireo vahaolana. Mizara toy izao izany :
▪️ Sata mifehy ny JIRAMA (Statuts) : kendrena ny hanasiam-panitsiana eken’ny rehetra, ireo andalana mila marimaritra iraisana,
▪️ Sosialy : omena araka izay azon’ny Orinasa JIRAMA hatao, ny fahafaham-po amin’ny fangatahana,
▪️ Filakevim-pitantanana (Conseil d’Administration) : hiova ho azy izany, vao vantany hatao ny fanitsiana ireo andalana anaty sata mifehy ny JIRAMA,
▪️ Mpiasa niditra am-ponja : andrasana avy amin’ny SMJ ireo laharana antotan-taratasy momba ireo mpiasa niditra am-ponja. Hampitaina amin’ny Ministeran’ny Fitsarana izany, mba ho dinihany lalina tsirairay, hijerena ny rariny sy hitsiny,
▪️ Fanesorana ny Tale Jeneraly : misy ny fangatahana fitsirihana (audit) amin’ny fitantanana, sy ny lafiny ara-bola, ka ny valin’io no hitondrana ny fanapahan-kevitra ho raisina.
⏹️ Nomarihin’Atoa MEH, fa mila hajain’ny SMJ ny fitsipika mifehy ny fitokonana ho an’ny Sendika, sy ny famelana ireo mpiasa vonona hiasa, hanohy ny asany. Vola mitentina 20 miliara Ar no tsy tafiditra tamin’ny kitapom-bolan’ny Orinasa, vokatry ny fanakatonana an-tery ireo masoivohon’ny JIRAMA. Manokatra hatrany ny varavarana ho amin’ny fifampidinihana sy vahaolana iraisana ny MEH.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *