SCADA :
Teknolojia hibaikoana ny famatsiana herinaratra
✅ Alakamisy 6 Novambra 2025 : Nitsidika ny toerana hametrahana ny rafitra « Système de Contrôle et d’Acquisition de Données » (SCADA) eto Antsahavola, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Atoa RALITERA Ny Ando Jurice, sy ireo teknisianina mpiara-miasa aminy. Vahaolana maharitra amin’ny fanatsarana ny famatsiana herinaratra ny SCADA, hoy Atoa MEH, ka mila hafainganina ny tetiandro hanatanterahana ny asa ✳️ Teknolojia avo lenta (anisany ohatra ny serveur 4ème génération), hahafahana misahana ny famatsiana herinaratra, amin’ny alalan’ny fibaikoana an-davitra. Hanafainganana eo noho eo ihany koa, ny fitiliana sy fanamboarana rehefa tojo fahasimbana fitaovana, na ny fanampiana tosika manoloana ny filàna mitombo amin’ny herinaratra, fa indrindra ny fanaraha-maso ny fandaniana amin’ny solika, hiadiana amin’ny halatra.
▶️ Mizara roa ny SCADA, dia ny « Energy Management System » (EMS), izay hanaraha-maso ny famokarana sy ny fitaterana herinaratra, ary ny « Distribution Management System » (DMS) izay hanarahana ny fitsinjarana ny herinaratra. Ity farany no hitiliana ny olana teknika na fahasimbana fitaovana, ohatra eny amin’ireo vata mpanova herinaratra (Transformateur).
👉🏽 Eto Antsahavola no hisy ny foibem-pibaikoana, ary hatsangana eny Ambohimanambola kosa ny birao vonjy taitra. Ity farany no hisahana ny asa, rehefa fotoana hanaovana fikojakojana na sanatria misy fahasimbana ny fitaovana eto Antsahavola.
✳️ Ho an’ny tapany voalohany, dia ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA) no hampiasana ny SCADA. Tanjona aoriana, ny fampiasana azy amin’ny Tanmbazotran’ny herinaratra manerana ny Nosy, anisany ireo tobim-pamokarana miisa 17 an’ny JIRAMA any amin’ny Faritra. Vahaolana maharitra amin’ny fanatsarana ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara ny SCADA, izay kasaina hiasa mialoha ny Desambra 2027. Efa vita sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa miaraka amin’ny Banky Iraisam-pirenena.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *