
Vokatry ny antony ara-teknika. Maro ireo karazana olana mety mitranga. Ohatra : fahasimbana amin’ny fitaovana (milina mpihary herinaratra, vata mpanova herinaratra, tariby, bakoly, andrin-jiro mianjera …). Mazàna ireo dia ateraky ny fahanteran’ireo fitaovana izay tsy nisy fikojakojana nandritra ny taona maro.