Tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rano eto Fandriana
📝 Manatontosa ny tomban’asa fanamboarana ny ekipan’ny JIRAMA
🛠️ Efa tonga eto Sahamadio, Fandriana, ankehitriny ireo teknisianina avy amin’ny JIRAMA, manatontosa ny tomban’asa amin’ny fanamboarana hatao eto amin’ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rano, eto an-toerana.
✅ Izao dia tohin’ny fidinana ifotony ny herinandro lasa teo, nataon’ny Delegasiona notarihin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Atoa RABEARIMANGA Radonirina Lucas.
👉🏽 Tsiahivina fa misy ny tsy fahatomombanana (fuite sur une conduite forcée), ka mampihena ny tanjaky ny famokarana herinaratra raha tokony hanome 700 kW.
👉🏽 Misy fahasimbana ihany koa ny milina mpamokatra herinaratra avy amin’ny solika manana tanjaka 240 kW.
✳️ Toromarika avy amin’Atoa MEH ny hanatanterahana haingana ny asa fanamboarana mba hamerenana malaky amin’ny laoniny ny famokarana herinaratra ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka.