AMBOHIMANGA
Maro ireo fotodrafitr’asa simba nandritra ny fandalovan’ny rivodoza FYTIA, isan’izany ny fianjeran’ny andrin-jiro mitondra herinaratra mavesatra (MT) miisa 2 ety Manankasina Ambohimanga, antony mampihato ny famatsiana herinaratra ety an-toerana.
Am-perinasa tanteraka ny teknisiana amin’izao fotoana izao ka vinavinaina ho vita ao anatin’ny ora roa(2) ny asa fanarenana.
ZOTRA EST
Rehefa natao ny fitsirihana ny zotra Est dia hita fa taribin-jiro mitondra herinaratra mavesatra(MT) no nianjeran’ny hazo, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza FYTIA.
Nanao ny ezaka rehetra ireo teknisiana nahafahana namerina tsikelikely ny famatsiana herinaratra iny zotra iny, saingy noho ity fahavoazana ity dia mbola tsy misitraka herinaratra ireto toerana ireto amin’izao fotoana izao: Carion – Angavokely – Sabotsikely.
Miroso avy hatrany amin’ny asa fanarenana izany ireo teknisiana mba hahafahana mamerina amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra amin’ireo toerana ireo.
SOALALA
Mbola miato ny famatsiana herinaratra sy rano
Nandravarava teto Soalala ny rivodoza FYTIA, nandritra iny faran’ny herinandro iny ka saika potika avokoa ny fotodrafitr’asan’ny JIRAMA eto an-toerana.
Mbola miato tanteraka arak’izany ny famatsiana herinaratra sy ireo milina mpamokatra rano miankina amin’ny herinaratra eto Soalala.
Sarotra ny asa fanarenana satria goavana ny fahavoazana nefa efa manao izay rehetra azo atao ny teknisiana hamerenana amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra sy rano arak’izay tratra.
Efa miverina amin’ny ampahany betsaka kosa ny famatsiana herinaratra ao Mahajanga afatsy ny zotra ZI3 sy ny ZI5 izay mbola an-dalam-panarenana.
Mahakasika an’Ambatoboeny, efa miverina amin’ny laoniny ireo fahasimbana vokatry ny rivodoza FYTIA, saingy mbola misy antony ara-teknika tsy mampisitraka herinaratra amin’ny ampahany ao an-toerana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *