Fampiroboroboana ny sehatry ny angovo
Asa ho an’ny tanora malagasy
👉 Ao anatin’ny ezaka fampiroboroboana ny sehatry ny angovo eto Madagasikara, dia notanterahina androany 19 Martsa 2026 teto amin’ny Hôtel Ibis Ankorondrano ny atrikasa nokarakarain’ny « Réseau CICLE » (Coopération Internationale Climat-Énergie).
✅️ Nifantoka tamin’ny fizaràna traikefa momba ny fanofanana arak’asa sy ny fanamafisana ny fahafahan’ny tanora miditra amin’ny asa eo amin’ny sehatry ny angovo ity atrikasa ity.
▶️ Nandray anjara mavitrika tamin’ny fifampizaràna traikefa ireo tetikasa avy amin’ny sehatra tsy miankina, toy ny FabLab EnR-Out, Projet Phare, ary IED .
🔷️ Dingana lehibe ity atrikasa ity amin’ny fametrahana paikady hahafahan’ny tanora mahazo asa maharitra, sady manohana ny fampandrosoana ny sehatry ny angovo eto Madagasikara.
🟩 Manamafy hatrany ny fahavononany ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH) miaraka amin’ny Ministeran’ny Asa ny Fampananan’Asa ary ny Asam-panjakana ( #MTEFoP) hanohana ireo hetsika mampiroborobo ny fahazoan’ny tanora asa sy ny fanatsarana ny fahaiza-manao, izay fototra iorenan’ny hoavin’ny angovo madio sy maharitra eto Madagasikara.