Alarobia 8 marsa 2023 – Fihaonan’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo tamin’ny Solotenan’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD) monina sy miasa eto Madagasikara.
Tonga nitsidika sy nidinika mahakasika ny fanamafisana ny fiaraha-miasa tamin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Solo ANDRIAMANAMPISOA, tao amin’ny biraony teto Ampandrianomby ny Solotenan’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana na ny BAD, izay miasa sy monina eto Madagasikara, Adam Amoumoun, ny alarobia 8 marsa lasa teo.
Fihaonana nahafahan’ny roa tonta niresaka mahakasika ny fandroson’ny asa amin’ireo tetik’asan’ny minisitera izay vatsian’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana vola toy ny PRIRTEM I sy II ary ireo tetik’asa SAHOFIKA sy VOLOBE. Voaresaky ny roa tonta avokoa ny asa rehetra manodidina ireo tetik’asa ireo.
Nanamafy ny fahavononan’I Madagasikara hiara-hiasa akaiky amin’ireo mpiaramiombon’antoka ara-tekinika sy ara-bola iraisam-pirenena toy ny BAD ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo nandritra izany ho fanatanterahina ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika amin’ny sehatra misy azy. Ny tanjona ihany koa dia ahafahana miara-miasa amin’ireo mpiaramiombon’antoka rehetra amin’ny tetik’asa ho an’ny fampiroboroboana ny angovo maintso. Araka ny fandaharam-potoanan’ny Minisitra, mbola maro ireo mpiaramiombon’antoka hihaona aminy hanamafy ny fiaraha-miasa fa indrindra ihany koa hidinika ny vinan’asa sy ny tetik’asa ahafahana miara-miasa ho an’ny fanatanterahina ny velirano faharoa ny Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *