Angovo azo havaozina : herinaratra avy amin’ny masoandro
✳️ Programme National Barefoot College (#PNBC) Madagascar
❇️ Fiofanana ho an’ny vehivavy
💡 Fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra lavitra, mitoka-monina sy saro-dalana
✴️Tanjona ny fizakan-tena ara-pihariana ho an’ireo vehivavy teknisianina mahafehy manamboatra sy mametraka ary mikojakoja ireo fitaovana hahazoana 💡 jiro sy herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro
✅️ Miisa 120 ireo vehivavy efa nahavita fiofanana, hatramin’ny 2017 nanombohan’ny Fandaharan’asa
🌞 63. 000 tokantrano no hisitraka jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro
🤝🏼 Fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (#3P)
✍️ Vehivavy (35 hatramin’ny 50 taona) miisa 12 no nahavita fiofanana nandritra ny 4 volana, ka nivoaka tamin’ny andiany faha-8 misalotra ny anarana « #MENDRIKA » ny 24 Oktobra 2025 teto Tsiafajavona
▶️ Avy any Ambilobe, Vohémar, Bealanana izy 12 mirahavavy ireto

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *