PRIRTEM I
Fanonerana ireo tompon-tany voakasiky ny Tetikasa
✳️ Fitondrana vahaolana hahafahana mampandroso ny fanatanterahana ny Tetikasa « Projet d’Interconnexion et de Renforcement des Réseaux de Transport d’Energie Electrique à Madagascar » (PRIRTEM). ➡️ Dingana goavana ao anatin’izany ny fikarakarana ny fanonerana ireo olona tompon’ny tany rehetra voakasiky ny Tetikasa, tapany voalohany na PRIRTEM I.
✅ Ireo no lahadinika tamin’ny fihaonana androany 4 Novambra 2025 teto Ampandrianomby, teo amin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa RALITERA Ny Ando Jurice, sy ny Mpandrindra ny PRIRTEM, Atoa RAHARISON Mirana Rivo.
💡Tsiahivina fa ny PRIRTEM I dia hiompana amin’ny fananganana ny tambazotra mitondra herinaratra mahery vaika mampitohy an’Antananarivo (RIA) sy Toamasina (RIT), hanana tanjaka 220 kV ary mirefy 267 km. Tanjona lehibe, ny hahafahana mifameno rehefa misy ny filàna miabo na olana ara-teknika mitranga. Hahafahana ihany koa, hamatsy herinaratra ireo tanàna rehetra amin’iny lalam-pirenena faharoa (RN2) iny. 🟩 Tafiditra anatin’ny vina fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina, ary iray amin’ny paikady « Global Gateway » ao amin’ny Vondrona Eoropeanina.
🤝🏼 Mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ny Tetikasa ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD), sy ny Vondrona Eoropeanina (UE) amin’ny alalan’ny Banky Eoropeanina misahana ny Famatsiam-bola na « Banque Européenne d’Investissement » (BEI), ary ny KOEXIM Bank.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *