MPIASA IRAY AVY AO AMIN’NY JIRAMA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA : NOTORIAN’NY JIRAMA SY NY MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORONAFO NOHO IREO FANDIKAN-DALANA NATAONY

Nahavoaray fitoriana avy amin’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo sy ny Jirama, mahavoakasika mpiasa iray eo anivon’ny Jirama ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna ny 12 Novambra 2025.

Miisa telo lehibe no antony hanenjehan’ireo mpitory an’ity mpiasan’ny Jirama ity dia :

Voalohany, noho ny fanohintohinanana ny fahefàm-panjakàna amin’ny alalan’ny hetsika mivoana any amin’ny fandikan-dalàna ka mitarika ny fandranitana ny olom-pirenena (atteinte à la sûreté de l’Etat) ;

Faharoa, fandrisihana amin’ny fifankahalàna (incitation à la haine) ;

Fahatelo sady farany, fanimbàna fananana iombonana sy fananam-panjakàna (destruction de biens publics).

Araka izany, tanana eny amin’ny biraon’ny Polisimpirenena ity mpiasan’ny Jirama ity hanokafana ny fanadihadiana savaranonando ary ho atolotra ny Fampanoavana aorian’izay.

Ny Polisimpirenena dia manaja ny fahalalahana maneho hevitra, saingy miantso ny rehetra mba hijanona hatrany ao anatin’ny fanarahan-dalàna ny fanatanterahana izany.