🟩 Fankatoavana ny Politikam-pirenena momba ny fahandroan-tsakafo avy amin’ny angovo madio (Lettre de Politique Nationale de la Cuisson Propre à Madagascar)

 

👉🏽 Mahatratra 200.000 Ha isan-taona ny ala ripaka eto Madagasikara. Ny olom-pirenena tsirairay avy no tompon-tsafidy eo amin’ny fanovana ny fahazarana ao an-dakozia, ka hitondra ny fanovana eo amin’ny sehatry ny angovo madio eto Madagasikara. Zava-dehibe amin’izany ny fiahiana ny ala, satria mbola 90% amin’ny tokantrano malagasy no mampiasa arina fandrehitra na kitay (charbon de bois ou bois de chauffe), araka ny antontanisa navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena. Ankoatra ny fahasimban’ny tontolo iainana, dia miteraka vokadratsy eo amin’ny fahasalamana izany, indrindra ho an’ny vehivavy sy ny ankizy.

 

✳️ Tanjona kendrena ny hampiakarana ho 50 % ny tahan’ny fampiasana ireo fomba fahandroan-tsakafo avy amin’ny angovo madio eto amintsika hatramin’ny 2030. Laharam-pahamehana ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, sy ny fanatrarana ny ODD7 : angovo madio, maharitra ary amin’ny vidiny takatry ny besinimaro.

 

❇️ Betsaka ireo fomba azo ampiasaina eo amin’ny fahandroan-tsakafo amin’ny angovo madio, ka anisany ireto : ny « bioéthanol », ny « biogaz », ireo arina fandrehitra vita amin’ny akora biolojika (briquettes et pellets), ny fatana mandeha amin’ny herinaratra sy amin’ny masoandro (cuisinière solaire et cuisinière électrique), ny fatana mitsitsy (foyer amélioré), ny entona fandrehitra (GPL).

 

✅ Tontosa androany 18 Desambra 2025 teto amin’ny Carlton Anosy, ny Atrikasa fampahafantarana sy fankatoavana ny Politikam-pirenena momba ny fahandroan-tsakafo avy amin’ny angovo madio (Lettre de Politique Nationale de la Cuisson Propre à Madagascar). Nitarika izany, ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, Dr RAKOTONANDRASANA Adolphe.

 

🤝🏼Maro ireo miara-misalahy amin’ny fanatanterahana ny asa : ny PNUD, ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF), ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina (MPS), ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), ary ny « Cabinet Sapphyre R&D ». Mpiara-miasa akaiky ny Fikambanana « Malagasy Clean Cooking Initiative » (MCCI).

 

▶️ Niray feo ny rehetra fa ny ala no antoka sarobidy amin’ny fisian’ny orana ilaintsika eo amin’ny sehatry ny angovo. Ezaka iraisan’ny daholobe ny fanovana ny fahazarana sy ny toetsaina eto amintsika. Dingana manaraka ny fanolorana eo anivon’ny Filankevitra roa tonta, an’ny Governementa sy ny Minisitra, ity paikady nasionaly momba ny fahandroan-tsakafo avy amin’ny angovo madio ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *