« Pacte énergétique de Madagascar »
Hatsangana ireo sampana mpanatanteraka
✅ Dingana lehibe no vita, amin’ny fanatanterahana ny fifanarahana momba ny angovo, na « Pacte énergétique de Madagascar » (#PEM). Nankatoavina ny 5 Jona 2025 teto amin’ny « Hôtel Carlton » Anosy, ny fehin-kevitra hoenti-manangana ireo sampana mpanatanteraka ny asa, ka ny voalohany dia eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, ary ny faharoa eto anivon’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH).
▶️ Ho fanamafisana sy fanohizana ny ezaka amin’ny fanatanterahana ny PEM, dia notontosaina omaly, ny fikaonan-doha niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka, sy solontenan’ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina, ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny : ny avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Primatiora, ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (#MEF), ary ireo Rantsamangaika amin’ny MEH.
❇️ Lahadinika ny fanolorana ireo dingana vita, ny fandrosoana amin’ireo drafitra sy paikady, ireo sakana hitondram-bahaolana, ireo laharam-pahamehana, ka anisany ny fananganana ireo sampana mpanatanteraka, ary ny famolavolana ireo dingana manaraka ilaina amin’ny fanatrarana ny tarigetra : angovo maharitra, madio, maoderina, amin’ny sarany takatry ny daholobe.
✴️ Tanjona lehibe ao anatin’ny PEM ny fampitomboana hatramin’ny 80% ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra amin’ny taona 2030, izany hoe :
– Hiampy 17,7 tapitrisa ny isan’ny vahoaka hisitraka herinaratra ka laharam-pahamehana ny amin’ny tontolo ambanivohitra,
– 85% amin’ny famokarana dia avy amin’ny angovo azo havaozina, ka hanome 893 MW (tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro sy ny rano)
– 50% no ho tahan’ny fampiasana fomba fahandroana sakafo avy amin’ny angovo madio,
– Fanavaozana ireo lalàna mifehy isan-karazany sy fanatsarana ny rafi-pitantanana
– Mitentina 7,2 Miliara dolara ny famatsiam-bola ilaina hanatanterahana ny PEM, ka ny 60% dia avy amin’ny sehatra tsy miankina, 30% avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka, 10% avy amin’ny Fanjakana Malagasy.
➡️ Nandritra ny fivoriankasa, dia nanao antso avo ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, mba hanamafisana ny fifanomezan-tanana sy fifanohanana amin’ny fanatanterahana ny PEM. Tanjona iraisana ny fampandrosoana ny Firenena sy ny fitsinjovana ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.
✳️ Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny Fandaharanasa #M300 ny fanatanterahana ny PEM. Anisan’ny manohana akaiky ny Vondron’ny Banky Iraisam-pirenena (#GroupedelaBanqueMondiale) sy ny Vondron’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (#GroupedelaBanqueAfricainedeDéveloppement). Eo koa ireo mpiara-miombon’antoka maro toy ny #SEforALL, ny #FMI, ny Vondrona Eoropeanina (#UE), ny « Agence Française de Développement » (#AFD).

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *