
ORE
Mankalaza ny faha-20 taona nijoroany

Notanterahina ny Zoma 12 Septambra 2025 tetsy Ankaditoho ny fanamarihana ny faha-20 taona nijoroan’ny
#ORE (Office de Régulation de l’Electricité). Ny ORE dia anisan’ny rantsamangaika eto anivon’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (
#MEH), izay misahana ny fandrindrana sy fitantanana ny sehatry ny herinaratra, ka tafiditra amin’izany ny fametrahana ny vidiny ara-drariny eto Madagasikara.

Andraikitry ny ORE ihany koa ny fampiharana ny fifandanjana sy fitoviana eo amin’ny mpandraharaha amin’ny sehatry ny famokarana herinaratra eto amintsika, sy ny fitsinjovana ny tombontsoan’ny mpanjifa ary ny Fanjakana.

Miantoka ny mangarahara sy ny fifaninanana madio ho fampanjariana ny sehatry ny angovo eto Madagasikara. Mbola adidin’ny ORE ny fiantohana ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina, hifanaraka amin’ny fiovana, indrindra ny fampiharana sy fanavaozana ny lalàna mifehy. Tanjona ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana hisian’ny mangarahara tanteraka, mba ho fitandroana toy ny anakandriamaso ny zon’ny mpanjifa.

Marihina fa ny ORE dia anisan’ny manatanteraka ny Politika Nasionaly amin’ny Angovo (
#PEM), izay rafetin’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny MEH. Anisan’ny tafiditra ao ohatra, ny fanavaozana ireo lalàna momba ireo fampiasam-bola avy amin’ny sehatra tsy miankina sy ireo mpamatsy vola avy any ivelany.

Nahatontosa an-tsakany sy an-davany ny asany ny ORE nandritra izay 20 taona nisiany izay. Tsiahivina fa hiova ho
#ARELEC (Autorité de Régulation de l’Electricité) ity rafitra ity, araka ny fanavaozana tapaka. Izany dia ao anatin’ny vina fampandrosoana hatrany ny sehatry ny angovo eto Madagasikara, araka ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (
#PGE).

« Deux décennies pour bâtir, un nouveau chapitre pour transformer,
ORE, 20 ans de régulation, cap sur l’ARELEC »
