
Eo koa ny fanafarana milina mpamokatra herinaratra (Groupe électrogène) na GE, hanampiana tosika ny eto amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA), hisorohana ny delestazy. Halefa any amin’ny Faritra ireo, hanoloana ireo milina efa antitra, vao miverina amin’ny laoniny ny famokarana herinaratra eto amin’ny RIA.

Miara-dia amin’izany, ny famahana ny olan’ny any amin’ny Faritra, sy ny fandraisana ireo fangatahana isan-karazany :

ohatra ny fanoloana ireo fitaovana efa antitra loatra na simba,

ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro.

Eo ireo Tetikasa lehibe toa an’i Sahofika, Volobe, Antetezambato ary Ranomafana.

Voaresaka ihany koa ny fangatahana fanaovana fitsirihana (audit) ara-pitantanana sy ara-bola eo anivon’ny JIRAMA.

Ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra, sy ny angovo azo havaozina.