
Fiaraha-miasa
Nihaona ny GSMJ sy ny MEH

Androany 31 Oktobra 2025 dia nanatanteraka fihaonana teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana (GSMJ), Ramatoa Fanirisoa ERNAIVO sy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Andriamatoa RALITERA Ny Ando Jurice.

Ankoatran’ny fifampiarahabana sy fitsidihana ara-pomba fifanajana, dia tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisitera roa tonta ny votoatin’ny fihaonana. Taratry ny fanavaozana izay tontosaina eto amin’ny Firenena ihany koa.