Fanatsarana ny famatsiana herinaratra any amin’ny Faritra
✳️ Ambohimanambola 22 Mey 2026 : Natolotra androany ny milina mpihary herinaratra (Groupe électrogène) vaovao miisa roa, manana tanjaka 250 kVA isanisany, ho an’ny Distrikan’i Tsaratanàna. Nandray izany ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy ao Tsaratanàna, Atoa RANDRIAMALALA Thony.
▶️ Izao dia tafiditra ao anatin’ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny famatsiana herinaratra manerana ny Nosy. Tsiahivina fa vola madiodion’ny Fanjakana Malagasy, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo ary ny JIRAMA, no nividianana ireo milina ireo.
❇️ Nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy, Atoa Sekretera Jeneraly eto anivon’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo, ny Dr RAKOTONANDRASANA Adolphe, notronin’Atoa Talen’ny Kabinetra, ny Dr JINOT Razafimamonjy sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny JIRAMA.