Mpitarika vaovao eo anivon’ny JIRAMA
Nandray ny toerany ny DG p.i. sy ny PCA

Tontosa androany 14 Janoary 2026 teny amin’ny Foibeny eny Ambohijatovo Avaratra, ny fampahafantarana ireo mpitarika vaovao eo anivon’ny JIRAMA, dia ny Filohan’ny Filankevi-pitantanana (PCA) ny orinasa, sy ny Tale Jeneraly mpisolo toerana (DG p.i).


Nandritra izany no nisian’ny famindram-pitantanana teo amin’ny Tale Jeneraly teo aloha, Atoa Ron WEISS, sy ny Tale Jeneraly mpisolo toerana, ny Général de Division RASOLOMANANA Andriamalala Richard Hajatiana.

Nisaotra ny Fanjakana Malagasy tamin’ny fe-potoana niasany teto amintsika, Atoa Ron WEISS, ary nizara ny hafaliany, amin’ny tsy fisian’ny delestazy intsony, amin’izao fiafaran’ny andraikiny izao. Nitso-drano ihany koa ny mandimby azy.

Ho an’ny DG p.i, ny Général de Division RASOLOMANANA Hajatiana, dia mifototra amin’ny “HOPE” na Fanantenana, ny hevi-dehibe hitondrany ny JIRAMA. “Humilité” na fanetrentena, “Opportunité” na ainga vao hoenti-manatsara ny asa, “Proactivité et promptitude” na fandraisana andraikitra haingana sy fahamatorana, ary “Emulation” izay manome lanja ireo talenta sy fahaiza-manao an’ny tsirairay hampandrosoana ny asa ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.

Atoa DG p.i an’ny JIRAMA moa dia manana traikefa mivelatra eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny fandrindrana stratejika. Efa nitana ny andraikitra maha Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Asa Vaventy, efa Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny “Office Malgache des Hydrocarbures” (OMH), ary efa Mpanolotsaina ara-teknika teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany sy ny solika.

Ankilany, dia Atoa Itibar OTMAN no lasa Filohan’ny Filankevi-pitantanana (PCA) ny orinasa JIRAMA. Izy indray dia “Administrateur Civil”, sy “Général de Division” misotro ronono. Mitana ihany koa ny andraikitra maha Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika nanomboka ny 4 Novambra 2025.

Ireo fanendrena ireo dia maneho ny finiavan’ny Fitondram-panjakana hanamafy ny fanarenana ho amin’ny fahombiazan’ny JIRAMA, ho fampandrosoana ny sehatry ny angovo eto amin’ny Firenena, ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.

Marihina fa ny JIRAMA no handoa ny karaman’Atoa DG p.i. araka ny sata mifehy ny orinasa. Nitarika sy nanome voninahitra ny fotoana androany teny Ambohijatovo Avaratra, ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana (MEAH), Rtoa RAZAFINDRIANIAINA Anja Elia, niaraka tamin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Atoa RALITERA Ny Ando Jurice. Nanambara Atoa MEH, fa fotoanan’ny fanavaozana izao, koa mila omena sehatra ny fahaiza-manao malagasy, vonona hanohana ny ezaka fanarenana ny JIRAMA ny Ministera tarihiny.