Mitohy ny fizaràna « kits solaires » eto Toamasina II
🫱🏽‍🫲🏼 Ho fanohanana ireo mponina lasibatry ny fahatapahan-jiro vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani teto Toamasina, dia mitohy ny hetsika fizaràna fitaovana manome herinaratra avy amin’ny masoandro na « kits solaires », ho an’ireo toerana tena voa mafy.
✳️ Araka ny tatitra voaray avy amin’ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo ( DIEH) Toamasina dia, « Kits solaires » miisa 200 no nozaraina androany 11 Martsa 2026 , teto amin’ny Kaominina Ambanivohitra Amboditandroho , Fokontany Ampasimazava sy Manambolo (Toamasina II) . Hitohy rahampitso ny fizaràna.
👉 Mitohy hatrany koa ny ezaka ataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny miaraka amin’ireo teknisianin’ny #JIRAMA, amin’ny asa fanarenana ho famerenana haingana ny famatsiana herinaratra ho an’ny isan-tokantrano.