Angovo azo havaozina
Misokatra ny ‘Guichet 3″ ao amin’ny « Fonds DECIM »

Notanterahina teto amin’ny Hôtel Radisson Blu Ambodivona, androany 19 Septambra 2025 ny fampahafantarana ofisialy ny « Guichet 3 » ao anatin’ny « Fonds DECIM », izay hifantoka tanteraka amin’ny fampisitrahana sy fanapariahana ireo tambazotra madinika mamokatra herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro

.

Laharam-pahamehana ny tontolo ambanivohitra.

Fanoitra ho fanohanana sy fanampiana ireo tetikasa rehetra mampiasa ireo teknolojia vaovao, izay mifanaraka amin’ny filàna ara-angovo eto amintsika, ity
#Guichet3 ity.

Hisokatra ny 22 Septambra 2025 hatramin’ny 22 Marsa 2026 ny fandraisana ireo antontan-taratasy ho an’ireo izay liana, ka tetikasa fitaratra (projet pilote) miisa 5 no ho safidiana, hisitraka ny famatsiam-bola mitentina 2 tapitrisa dolara.

Tokantrano miisa 40.000 no hisitraka angovo madio, maharitra, amin’ny vidiny takatry ny besinimaro. Manohana ny Banky Iraisam-pirenena (
#BanqueMondiale).

Tanjona amin’ny
#FondsDECIM ny fampandrosoana ny ara-tsosialy sy ara-toekarena ny tontolo ambanivohitra, amin’ny alalan’ny fampidirana herinaratra sy ny haitao ara-kajy mirindra. Tsiahivina fa mahatratra hatramin’ny 2.285.000 ny isan’ireo mponina hisitraka ny tetikasa, ka ny 28,5% dia tokantrano sy orinasa tarihin’ny vehivavy.

Nitarika ny fotoana androany ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny « Fonds DECIM », Atoa Christian SCHATTEMANN, notronin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny
#ADER sy ny
#ORE ary ireo solontenan’ny sehatra tsy miankina sy mpamatsy vola isan-tsokajiny.