FANATSARANA NY FAMATSIANA HERINARATRA ANY AMIN’NY FARITRA
Ankoatra ny tetik’asa « Parc solaire » dia vain-dohan-draharahan’ny Orinasa JIRAMA ihany koa ny hanoloana ireo milina mpihary herinaratra rehetra manerana ireo tobim-pamokarana tantaniny any amin’ny faritra.
Tonga eto Ambohimanambola omaly ny ampahany voalohany amin’ireo milina vaovao ireo raha ny zoma zao kosa ny andiany faharoa. Miisa folo (10) ary manana tanjaka mitotaly 2 MW, izany hoe 50 à 400 KW, ireto milina ireto ka ny tobim-pamokarana izay manana tanjaka somary kelikely toa an’Antanambao Manampotsy – Marolambo sy ny maro hafa no hisitraka izao voalohany izao.
Marihina fa any ho any amin’ny enina ambinifolo amby zato (116) no totalin’ireo milina rehetra andrasana hatramin’ny faran’ny volana may 2026, izay tetik’asan’ny Orinasa JIRAMA, ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo ary ny Fitondram-panjakana malagasy madiodio.
Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra famatsiana herinaratra any amin’ny faritra izay mitaraina nohon’ny fahatapahan-jiro lalina. Manome toky arak’izany ny JIRAMA fa ho foana tsikelikely ny fahatapahan-jiro ara-teknika any amin’ireny faritra ireny.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *