Fampiroboroboana sy fampanarahan-dalàna ny sehatry ny angovo azo havaozina eto Madagasikara
✅ Talata 25 Novambra 2025 : Tontosa teto amin’ny Amphithéâtre Ampandrianomby ny atrikasa fampahafantarana momba ny Didim-panjakana laharana 2025-080 tamin’ny 28 Janoary 2025 mirakitra ny fanarahana ny fepetra ara-tontolo iainana (MECIE) ho an’ireo tetikasa momba ny angovo azo havaozina eto Madagasikara. Izany dia niarahan’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) tamin’ ny Ofisim-pirenena ho an’ny Tontolo Iainana (ONE) sy ny GIZ.
⚖️ Ny MECIE (Mise en Compatibilité des Investissements avec l’Environnement) dia Didim-panjakana natao hifehezana sy hitandrovana ny tontolo iainana eto Madagasikara manoloana ireo tetikasa misandrahaka amin’ny sehatra maro, anisan’izany ny sehatry ny angovo azo havaozina izay miroborobo ankehitriny.
👉🏽 Mazava ny tanjona hapetraka dia ny fanamafisana ny fahalalana sy fahafehezana ny fampiharana ny Didim-panjakana MECIE amin’ny fanatanterahana ny tetikasa amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina.
▶️ Aorian’ity atrikasa ity dia andrasana araka izany ny fahafehezan’ireo mpandray anjara ny toro-lalana araka ny tokony ho izy ho an’ireo mpampiasa vola sy ireo manana tetikasa momba ny angovo azo havaozina eto Madagasikara.
❇️ Nahitana solontena avy amin’ireo vondrona maro samihafa ity atrikasa ity, ny ONE, ny GIZ, ny ADER, ny ARELEC. Nisolo tena ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo sy nanokatra ny atrikasa ny Tale Misahana ny Fampiroboroboana ny Fandaharanasa momba ny Angovo (DEE) Rtoa RAZAFIMAHATRATRA Dina Anjaraniaina.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *