🚩MAROLAMBO
Efa tonga ao Marolambo ny milina mpihary herinaratra vaovao, manana tanjaka 50kW, izay hanamafy ny famokarana ao an-toerana. Hiroso amin’ny fikarakarana sy ny fametrahana izany avy hatrany ireo teknisiana.
Tanjona ny hanamavainana ny olan’ny famatsiana herinaratra sy ny hanatsarana ny kalitao, ny tolotra omena ny mpanjifa, ary hahafahana mampiakatra ny tanjaky ny herinaratra mandritra ny ora maha be ny filàna ny hariva.
Izao fanapariahana milina mpihary herinaratra izao dia tetik’asan’ny Orinasa JIRAMA sy ny Fitondram-panjakana Malagasy ho fanatsarana ny famatsiana herinaratra any amin’ny Faritra.