MANGATANY FIEFERAMANGA
Anio Talata 9 desambra, nandrotsaka ny 2,5Mw amin’ny 5Mw vokatra voalohany, eto amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo ilay tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro eto Mangatany. Fotodrafitr’asan’ny Orinasa JIRAMA, vatsian’ny Fanjakana Malagasy vola amin’ny alalan’ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’afo ity eto Mangatany ity, izay hamokatra 9,5MWc ary ahitana vatoaratra afaka mitahiry herinaratra 6Mwh.
Tanjona goavana ho antsika ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina hampiakarana ny famokarana herinaratra ka hisorohana ny fahatapahan-jiro mifandimby, dia hahafahantysika ihany koa mitsitsy ny fandaniana amin’ny solika. Ankoatra an’i Mangatany dia tsiahivina fa efa mamokatra 1,5MWc ihany koa ny eny Ambatomirahavavy ary 5MWc ny eny Ampangabe. Mbola an-dalana kosa ny asa eny Ambohidrano Ilafy (7MWc) sy Tsarasaotra Ivato (100MWc).
————————————————————————————————————–
🇲🇫 MANGATANY FIEFERAMANGA
Ce mardi 9 décembre, 2,5 MW des premiers 5 MW d’énergie solaire produit à Mangatany ont été injectés sur le réseau interconnecté d’Antananarivo. Cette centrale de la JIRAMA, située à Mangatany et financée par l’État malgache à travers le ministère de l’Énergie et des Hydrocarbures, générera une puissance de 9,5 MWc. Elle dispose de batteries ayant une capacité de stockage de 6 MWh.
Notre principal objectif est de promouvoir les énergies renouvelables, ce qui nous permettra d’améliorer la production d’électricité, d’éviter le délestage et de réduire nos coûts en matière de carburants. Outre le site de Mangatany, il est à noter que le site d’Ambatomirahavy produit déjà1,5 MWc, et celui d’Ampangabe 5 MWc. Les travaux sont toujours en cours à Ambohidrano Ilafy (7 MWc) et à Tsarasaotra Ivato (100 MWc).

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *