MAHABO – AMPANIHY – AMBOASARY ATSIMO⚡
Hiainga rahampitso maraina eto Antananarivo ny andiany vaovao amin’ireo milina mpihary herinaratra, hihazo ireto Faritra ireto:
Mahabo : 250KW.
Ampanihy : 200KW.
Amboasary Atsimo : 250KW.
Ireo vondrona mpihary herinaratra ireo dia hanampy ireo efa misy any an-toerana, hanatsara sy hampitombo ny famokarana herinaratra.
Marihina fa izao asa izao dia tafiditra ao anatin’ny tetik’asan’ny Orinasa JIRAMA, iarahana amin’ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo ary ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ho fanatsarana ny tolotra omena ny mpanjifa manerana ireo toby famokarana herinaratra tantanan’ny JIRAMA.