
Fihaonan’Atoa MEH tamin’ireo mpiasan’ny JIRAMA eny Soanierana
Mazava ireo toromarika sy laharam-pahamehana

Nanatanteraka fitsidihana teny amin’ny sampana mpitsinjara herinaratra (Distribution) JIRAMA Soanierana androany 30 Martsa 2026, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Atoa RABEARIMANGA Radonirina Lucas . Nihaona sy niresaka mivantana tamin’ireo mpiasa ny tenany ka nandritra izany no nanamafisany ireo laharam-pahamehana sy toromarika arahina amin’ny fanatsarana ny sehatry ny herinaratra.

Fitohizana tsy tapaka amin’ny famatsiana herinaratra ho an’ny mpanjifa.

Fanarenana haingana ireo fotodrafitrasa simba vokatry ny fandalovan’ny rivodoza. Efa voafaritra ny paikady ka hisy ny fidinana ifotony hatao any Toamasina.

Fiomanana amin’ny vanim-potoanan’ny maintany (période d’étiage) 2026, izay mitaky fandraisana andraikitra mialoha, hiantohana hatrany ny famokarana sy famatsiana tsy an-kiato amin’ny herinaratra.

Fanitarana ny fahazoan’ny mponina herinaratra, amin’ny alalan’ny fampitomboana ny isan’ireo misitraka izany manerana an’i Madagasikara, indrindra ho an’ireo Faritra mbola tsy misy herinaratra.

Nohamafisin’Atoa MEH fa mitaky fiaraha-mientan’ny rehetra ny fanatrarana ireo tanjona ireo, ary ilaina ny fanamafisana ny ezaka sy ny fahaiza-manao eo anivon’ny JIRAMA mba hanomezana tolotra mendrika ho an’ny vahoaka.