JIRAMA – JICA : Hanangana sous-stations roa vaovao ao ToamasinaManoloana ny fahanteran’ireo fotodrafitr’asa mpamatsy herinaratra ao Toamasina, ka mahatonga fahatapatapahan-jiro matetika dia manolo-tanana ny Fitondran’ny Fanavaozana ny Repoblikan’I Madagasikara ny Governemanta Japone amin’ny alalan’ny JICA na Masoivoho Japone misahana ny fiaraha-miasa irasaim-pirenena.
Fifanarahana vatsim-bola tsy haverina, mitentina 66 lavitrisa Ariary, izay vita sonia ny volana martsa teo no atolony hanorenana sous-stations roa vaovao ao Toamasina I sy Toamasina II. Hanampy izany ny zotra mitatitra herinaratra mahery vaika mirefy 3,5 km eo anelanelan’I Toamasina I sy Toamasina II.
Tontosa androany kosa ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Orinasa JIRAMA, tamin’ny alalan’ny Tale Jeneraly, ny Jly RASOLOMANANA Hajatiana sy ny Kabinetra ivondronan’ireo “Consultants” Japone izay hiara-hiasa amin’ny fanaovana ny antso tolo-bidy, ny fisafidianana izay Orinasa hanatanteraka ny asa, ny fanaraha-maso ny asa ary ny fanombanana izany heritaona aorian’ny hahavitany.
Ny volana Septambra izao no vinavinaina hisafidianana izay Orinasa hanatanteraka ny asa. Aorian’izay kosa dia hanomboka ny asa.
Marihina fa miainga ao amin’ireo sous-stations roa ao Tomasina I sy Toamasina II ireo ny fitsinjarana herinaratra ao Toamasina.