JIRAMA – IPP
Nisy androany ny fihaonana teo amin’ny Orinasa JIRAMA, izay notarihan’ny filohan’ny filan-kevim-pitantanana, ny Gal Itibar Ottman sy ireo mpiara-miombon’antoka misehatra amin’ny lafiny famokarana herinaratra na ireo IPP, teny Ambohijatovo ambony.
Fihaonana fifanakalozan-kevitra sy fizaràna ny vinam-panarenana ny Orinasa JIRAMA sy ny hoavin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ity notontosaina androany ity. Mifototra amin’ny andry roa tsy azo sarahina ny fanarenana dia ny fahombiazana ara-teknika sy ny fahamarinan-toerana ara-bola.
Mifampiankina ireo lafiny roa ireo satria ny kalitaon’ny vokatra omen’ireo IPP no mamaritra mivantana ny fomba fijery ny tolotra omen’ny JIRAMA ary ny fahamarinan-toeran’ity farany no mifehy ny fahafahan’ireo IPP miasa maharitra.
Hisy arak’izany ny fanitsiana ireo fifanarahana (contrats) mba hifanaraka tsara amin’ny tombontsoan’ny roa tonta. « Tsy hisy mihitsy fanarenana raha mbola bokan’ny trosa ny orinasa JIRAMA », hoy ny filohan’ny filan-kevim-pitantanana. Notsindriany fa tsy ireo fifanarahana rehetra no asiam-panitsiana fa ireo izay tsy nanaja ny Boky fepetra (cahiers de clauses), araka ny tatitry ny sampandraharaha miadidy ny fanaraha-maso ny fitantanana ny volam-panjakana sy ny fananam-panjakana na ny Inspection Générale de l’Etat (IGE).
Ho an’ny fifanarahana vaovao kosa (nouveaux contrats) dia fepetra tsy maintsy arahina ny fiaraha-miasa mahasoa ny roa tonta (partenariat gagnant-gagnant). Misokatra amin’ireo mpiara-miombon’antoka vonona ny hisehatra amin’izao lalana izao ny Orinasa JIRAMA, hoy ny Tale jeneraly, ny Gal Rasolomanana Hajatiana :• Fahaveloman’ny mpamokatra
• Faharetan’ny rafitra
• Fahamarinan-toerana maharitra
« Tsy mitady tetik’asa amin’ny vidiny rehetra ny JIRAMA fa mitady angovo amin’ny vidiny ara-drariny ho an’i Madagasikara », hoy ny Tale jeneraly. Hifantoka be be kokoa amin’ny angovo azo havaozina arak’izany ireo tetik’asa sy fifanarahana ho avy ary laharam-pahamehana ny fisafidianana ireo izay amin’ny vidiny mora kokoa. Miantso ireo IPP arak’izany handroso izay tetik’asa entiny hanatsarana ny fiaraha-miasa.
Namaly ny fanontanian’ireo IPP mahakasika ny fanefana ny trosan’izy ireo ihany koa ny mpitantana ny Orinasa. Misy ny ezaka fandaminana maty paika ny trosa, ny fanohanan’ny Fitondram-panjakana, ny fanetsehana ireo sampandraharaha ara-bola ary efa mihatsara izany fandoavam-bola izany amin’izao fotoana izao.
Mahakasika ny fanohizana na tsia ny fanatanterahana ny Drafitra fanarenana ny Orinasa, izay nanontanian’ireo mpandraharaha ihany koa dia namaly ny Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo fa mitoetra ny drafitra fanarenana ny Orinasa saingy misy teboka an-dalam-panavaozana ao anatin’izany taorian’ny zava-nitranga teto amin’ny firenena.