🚩 VALAN-DRESAKA TAMIN’NY MPANAO GAZETY

Nisy ny valan-dresaka nataon’i Tale Jeneraly, ny Gal RASOLOMANANA Hajatiana tamin’ny mpanao gazety, androany. Teboka maromaro no noresahany nandritra izany:

1) FANARENANA AN’I TOAMASINA

• 60%n’ny mpanjifa no efa misitraka rano amin’izao fotoana izao.

• Zotra MT (Moyenne tension) miisa 6 amin’ireo 11 no efa mandeha dia ireo zotra laharam-pahamehana toy ny Hopitaly, ny Banky, ny Fonja, ny toby miaramila,…

• Hojerena tsirairay kosa ireo zotra BT (Basse tension), izany hoe ireo mamatsy tokantrano sao misy mampidi-doza.

2) MAHAKASIKA NY TROSAN’NY JIRAMA

• Mahatratra 2000 Miliara Ariary ny trosan’ny JIRAMA hatramin’izay. Naneho ny fahavononany hanakisaka ireo tolotra rehetra mbola mety handentika sy hampitombo io trosan’ny JIRAMA io ny Tale Jeneraly.

• Hohamafisina ny fandrindrana asa na ato anatin’ny Orinasa izany na ivelany.

3) FAMATSIANA HERINARATRA AMIN’NY ANKAPOBENY

• Manana amby ampy isika raha ny vokatra herinaratra ho an’ny Tambazotra iraisan’Antananarivo amin’izao fotoana izao.

• Lafiny fitsinjarana no antony mahatonga ny fahatapahan’ny herinaratra indraindray. Misy mizàka 122% ireo sous-station tahaka ny Tana-Sud Anosizato ka tapatapaka matetika.

• Ho an’ny Faritra, efa tonga ny 19 amin’ireo milina mpihary herinaratra 116 novidian’ny JIRAMA sy ny Fitondram-panjakana. Efa misitraka izany i Ampanihy, Antanambao Manampotsy, Marolambo, Ambatoboeny, Nosy Varika,…izay hamafa ny delestage. Hatramin’ny faran’ny volana may 2026 no hahatongavan’ireo milina ireo.

4) FITSIRIHANA NY HALATRA SY NY HOSOKA

Antony telo no hanatanterahana ny fitsirihana na ratissage amin’ny fampiasana herinaratra amin’izao fotoana izao:

1- Hanamaivanana ny tambazotra mpitsinjara herinaratra izay efa feno ka mahatonga fitotongan’ny tanjaky ny herinaratra tonga any an-tokantrano;

2- Hahafahana manatanteraka ireo fangatahana fampidiran-jiro mbola miandry izay mahatratra 13000 amin’izao fotoana izao.

3- Fanarenana ny ara-bolan’ny Orinasa. Manodidina ny 100 lavitrisa Ariary isan-taona ny fatiantoka nohon’ny halatra sy ny hosoka.

5) NY FAMATSIAN-DRANO

Mahatsapa ny JIRAMA fa mbola maro ireo Faritra misedra olana amin’ny fisitrahana rano.
Tsy ampy 100 000m3 isan’andro ny rano vokarina ao Mandroseza ka mampihatra tour d’eau ny JIRAMA mba hahafahana mitsinjara ny rano vokarina.
Manoloana izany, efa maro ireo asa fanatsarana sy tetik’asa efa mandeha amin’izao fotoana izao:

• Fanamboarana ny siniben-drano Ambohidempona sy ny surpresseur Antsahameva izay efa mamatsy ny faritr’Ankatso, Fort-Duchesne, Andraisoro,….na dia mbola tsy 100% aza ny fisitrahana rano.

• Fanoloana sivana ao Mandroseza sy fanoloana fantsona 6 km izay vatsian’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika vola.

• Tetik’asa PAAEP: Fanitarana an’i Mandroseza III izay afaka hamokatra 40 000m3; fanoloana fantsona 64Km eto Antananarivo;

• Tetik’asa JIRAMA Water III eny Amoronakona izay hamokatra 50 000m3;

• Tetik’asa forage maherin’ny telopolo manodidina an’Antananarivo izay iarahana amin’ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *