Herinaratra ho an’ny tontolo ambanivohitra :
✔️ Tanàna 50 nahazo hazavana
▶️ Angovo azo avaozina amin’ny alalan’ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’jny masoandro. Tao anatin’ny 2 taona monja : tanàna miisa 50 eto Madagasikara misy mponina 55.000 hatreto no nahazo hazavana, tamin’ny alalan’ny ezaka fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra iarahana amin’ny tetikasa « WeLight ».
#️⃣ Tanjona ny hampitombo avo 2 heny ireo, izany hoe tanàna 105, hatramin’ny faran’ity taona ity, ary ho lasa 172 ny isany amin’ny volana Jona 2024. Amin’izay fotoana izay dia hiisa 1 taptrisa ny mponina hisitraka hazavana, tokantrano 70.000 amin’ireo tanàna ireo, 800 kosa ireo orinasa sy mpamokatra, ary 1.200 ireo biraom-panjakana hahazo herinaratra. 149.000 Ariary ny saran’ny fampidiran-jiro, vina ny hampidina an’io. Arakaraky ny filàn’ny mpanjifa no aloany : mividy fahana ampidirina amin’ny « compteur prépayé » araka ny fanazavana nentin’ny Tale Jeneralin’ny WeLight Africa, Atoa Romain DE VILLENEUVE.
➡️ Mitentina 30 taptrisa Euros ny fampiasam-bola. Nanome 10 tapitrisa Euros ny « Banque Européenne d’Investissement » (BEI), araka ny nambaran’ny Filoha Lefiny, Atoa Ambroise FAYOLLE.
#️⃣ 5.800.000 tokantrano
▶️ Mbola malalaka tokoa ny sehatry ny fampidirana herinaratra eto amintsika araka ny fanatanterahana ny Velirano faha-2 nataon’Atoa Filoham-pirenena Malagasy : « angovo ho an’ny daholobe ». Hatreto dia tokantrano miisa 1.200.000 manerana ny Nosy no misitraka herinaratra, ka ny 650.000 amin’ireo no mpanjifan’ny JIRAMA. Tanjona lavitrezaka apetraky ny Fitondram-panjakana ny hitondra hazavana amin’ny tokantrano miisa 5.800.000 manerana ny Nosy araka ny nambaran’ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’afo Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA.
⭐ « Malalaka tsara ny sehatra fampidirana herinaratra eto Madagasikara. Tanjontsika voalohany ny hampiakatra avo 2 heny ny tahan’ny olona misitraka herinaratra eto Madagasikara. Manentana ireo mpiara-miombon’antoka sy ny sehatra tsy miankina ny tenako, hifanome tanana hanatanterahantsika miaraka ny vina. 80% n’ny vahoaka Malagasy dia miaina amin’ny tontolo ambanivohitra. Laharam-pahamehana ny fijerena manokana azy ireo hisian’ny fampandrosoana mirindra » hoy ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’afo, Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA, nandritra ny dinikasa niarahana tamin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny « WeLight » sy ny BEI, natao ny 17 Jolay 2023 teny amin’ny Galaxy Andraharo.
✔️ Nofaranana tamin’ny fampiratiana sary maneho ny fahazoan’ireo mponina herinaratra moa ny fihaonana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *