
Tontosa teto amin’ny Faritra Vakinankaratra ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fitsidihana ny CSB I Beakanga (Kaominina Ambanivohitra Vasiana Distrika Mandoto), sy ny CSB I Matieloana (Kaominina Betafo), izay samy misitraka herinaratra avy amin’ny masoandro ankehitriny. Nitarika ny Delegasiona ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa RABEARIMANGA Radonirina Lucas, notronin’ny Mpandrindra ny Tetikasa LEAD, Atoa RAHERINANTENAINA Barnia Flowernysd. Manohana amin’ny fanatanterahana ny asa ny Banky Iraisam-pirenena (Banque Mondiale).