Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny tetikasa hazavana ho an’ny rehetra eto amin’ny faritra Bongolava,Distrika Tsiroanomandidy.

Kaominina ambanivohitra roa dia Ambatolampy sy Bemahatazana indray omaly no notoloran’ny Ministera jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro.

Nanatrika izany hatrany ny Solombavambahoakan’ny Madagasikara lany teto amin’ny distrika sy ny governoran’ny faritra.