
Tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro
Hampiakatra ny famokarana, sy hitsitsiana solika

Tanjona goavana ho antsika eto Madagasikara ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina. Anisany ny fananganana ireo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro (Centrale solaire na CS). Tombony lehibe no azo avy aminy. Ankoatra ny fampiakarana ny famokarana herinaratra, ka hisorohana ny delestazy, dia hahafahantsika ihany koa mitsitsy ny fandaniana amin’ny solika.

Ohatra amin’ireo, ny CS eto Ambatomirahavavy, izay manana tanjaka 1,5MWc ary efa mampiditra herinaratra amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA) nanomboka ny volana Oktobra lasa teo. Ahitana takelamasoandro (Panneaux photovoltaïques) miisa 2.610 eto, vatoaratra (Batterie) 1MWh, « Onduleurs » miisa 5 amin’ny 330 kW isanisany. Mampiasa ny teknolojia fanaraha-maso an-davitra ny famokarana herinaratra isan’andro sy isam-bolana. Ho an’ny volana Oktobra fotsiny, dia mahatratra 49.000 litatra ny fitsitsiana gazoala, vokatry ny fisian’ny CS eto Ambatomirahavavy.

Ho an’ny CS eto Mangatany kosa, izay hanana tanjaka mitotaly 9,5 MWc, dia vinaina afaka 1 volana, no hanomboka hampiditra miandalana ny herinaratra amin’ny RIA. Mizara vondrona (Bloc) 3 afaka miasa avy hatrany izay vita ny CS : 5MWc, 3 MWc ary 1,5 MWc. Hitotaly 15.408 ireo takelamasoandro eto ary hisy vatoaratra 6MWh. Miasa 24 ora amin’ny 24, sy 7 andro ny fitaovana « Drilling machine » hametahana ireo tongony (Vis) milanja ireo takelamasoandro eto Mangatany. Hafainganina ny fahatongavan’ny vata mpanova herinaratra (Transformateur) eto. Efa vita ny tambazotra (Ligne) mitondra herinaratra mahery vaika 35.000 V. Hahafahana mitsitsy gazoala avo telo heny amin’ny CS eny Ambatomirahavavy ny CS eto Mangatany.

Nanatontosa fitsidihana ireo CS roa ireo, androany 7 Novambra 2025, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Atoa RALITERA Ny Ando Jurice. Toromarika nomeny ny hanafainganana ny famitana ny asa rehetra, hampiakarana ny famokarana herinaratra ho an’ny RIA, ka hisorohana ny olan’ny delestazy.