AMBATOMIRAHAVAVY
Nitrangana halatra taribin-jiro, mitondra herinaratra mavesatra 35 Kv, mirefy 900 metatra tao Ambaravarambato Kaomina Ambatomirahavavy, antony mahatapaka ny famatsiana herinaratra tamin’ireto toerana ireto hatry ny alina👇:
Anosy – Ampasambazimba – Andavatsaha – Sabotsy – Mahabo I sy II – Antaninandro – Soavina – Morano – Faharetana – Avarabohitra.
Nandritra ny fanarahan-dia ny zotra nataon’ny teknisiana no nahafantarana ny tranga. Nanokatra fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana manoloana izao halatra tariby izao. Manomana ny fanoloana izany kosa ny teknisiana.
Ny JIRAMA dia manao antso avo amin’ny rehetra hitandro toy ny anakandriamaso ireny fananana iombonana ireny ka hitoroka avy hatrany raha misy tranga halatra tahaka izao, izay sady mahatonga fahatapahana lavareny no miteraka fatiantoka goavana ho an’ny Orinasa ihany koa.
Antsoy avy hatrany ny laharana maitso 547 na manatona ny masoivoho JIRAMA na ny manam-pahefana akaiky anao.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *