Halatra takela-masoandro tao Tanandava
👉 Lehilahy miisa 3 sy vehivavy 1 voasambotry ny zandary
▶️ Araka ny tatitra voaray avy amin’ny CPA Tanandava, androany Alakamisy 28 Mey 2026 , dia nisy halatra takelaka famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro miisa roa tao amin’ny tobim-panatobiana entana « Dépôt ZITAN » tao Tanandava, Distrikan’i Toamasina II.
⬆️ Taorian’ny fampandrenesan’ny vahoaka sy ny fiaraha-miasa tamin’ny Zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny Zana-tobim-paritra Tanandava, dia nidina avy hatrany teny an-toerana ireo zandary ka hita nandritra izany ireo takela-masoandro manana tanjaka 575 W.
Ny iray dia hita tao amin’ny toerana antsoina hoe « Balance », Fokontany Tanandava , ny takelaka iray hafa kosa hita tao Ambalatenina, Tanandava .
▪️ Lehilahy miisa telo (19 , 29 ary 41 taona), sy vehivavy iray (54 taona) araka izany no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana.
✳️ Nentina natao andrimaso eny amin’ny Tobin’ny Zandarimaria izy ireo, ho an’ny fanadihadiana, ary efa naverina amin’ny tompon’andraikitra ireo takela-masoandro. Efa noraisina ihany koa ny fepetra fanamafisana ny fiambenana ny tobim-panatobiana entana ao Tanandava, izay misy ireo fitaovana hoenti-manangana ireo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, iandraiketan’ny orinasa JIRAMA.