Fizaràna « kits solaires » ao Toamasina II

Nitohy androany 12 Martsa 2026 ny hetsika fanolorana « Kits Solaires » teto amin’ny Distrikan’ny Toamasina II. Ny Kaominina Ambanivohitra Ambodiriana no nahazo ny anjarany androany. Araka ny tatitra voaray avy amin’ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo ( DIEH ) Toamasina dia « Kits solaires » miisa 100 indray no nozaraina ho an’ireo mponina ao an-toerana. Hitohy amin’ny toeran-kafa ny fizaràna manaraka.

Ankilany, dia mitohy hatrany ny asa fanarenana ataon’ireo tompon’andraikitra sy teknisianin’ny
#JIRAMA, ho fanomezana herinaratra haingana ho an’ny isan-tokantrano.