Fizaràna « kit solaire » teto Antetezambaro – Toamasina II
👉🏽 Fokontany miisa 7 eto amin’ny Kaominina Ambanivohitra Antetezambaro, Distrikan’i Toamasina II, no nanohizana ny fizaràna fitaovana manome herinaratra avy amin’ny masoandro (Kit solaire), androany 17 Aprily 2026.
✅ Tokantrano mitotaly 2.029 no nisitraka izany tao : Antanetilava, Ambonivato, Marotanindrazana, Ambodisatrana, Ampasina, Sahantaha, Vohitrandriana.
🤝🏽 Tsiahivina fa izao dia hetsika iaraha-misalahy amin’ny Banky Iraisam-pirenena (Banque Mondiale) amin’ny alalan’ny Tetikasa DECIM. Tanjona ny hanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka sy ho fampiroboroboana ny fampiasana angovo azo havaozina.