
Fizakan-tena amin’ny angovo
Vita sonia ny fifanarahana amin’ireo indostria

Tontosa ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana hanohanana ny fampiroboroboana ny fizakan-tena amin’ny angovo, eo amin’ny sehatry ny indostria ny sy fikirakiram-bola na « Projet de décision conjointe de la mise en œuvre prioritaire du pacte de programmation industrielle dans le secteur énergie – Projet d’Appui à l’Industrialisation et au Secteur Financier » (PAISF). Nanao sonia ny fifanarahana teto Ampandrianomby ny 1 Aprily 2026, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) Atoa RABEARIMANGA Radonirina Lucas, sy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) Atoa RAHARIMANJATO Riana Nampoina.

Tanjona ny hamporisika sy hanohana ireo indostria, hanana ny famokarana herinaratra ho azy manokana (autoproduction d’électricité), indrindra ny avy amin’ny angovo azo havaozina. Izany dia hitarika fihenan’ny vesatra (charges) amin’ny tambazotran’ny JIRAMA, ka, hahafahan’ny vahoaka misitraka herinaratra amin’ny toeran’ireo indostria ireo.