Akoranafo
Fitsidihana ny Vondrona « ADONIS Environnement SA »
▶️ Nanatontosa fitsidihana ny Vondrona « ADONIS Environnement SA » teto Ambatomirahavavy, androany 16 Febroary 2026, ny Delegasiona notarihin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Atoa RALITERA Ny Ando Jurice, notronin’ny Tale Jeneralin’ny OMH sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Kaominina.
👉🏽 Eto no misy ny ivontoerana iray, fitondran’ny ADONIS ireo fako avy amin’ny sehatry ny akoranafo sy ny solika, ny fikirakirana sy famadihana ireo ho akora.
✅ Ohatra amin’izany : ireo fako azo avy amin’ny plastika sy ny vatoaratra (batteries), ireo fako azo avy amin’ny tobin-tsolika, sy ny tobim-pamokarana herinaratra an’ny JIRAMA mandeha amin’ny solika, ireo fako avy amin’ny sambo mpitatitra solika, ary ny toeram-pandoroana sy famotehana azy ireny tsy ho lasa poizina ho an’ny tontolo iainana, na an-tanety, na anaty rano.
❇️ Fotoana nampahafantarana ny asa manontolo sy nisian’ny fifanakalozan-kevitra, ary ny fanazavana ireo pitsopitson-dalàna mifehy eo amin’ny lafiny teknika sy ny lafiny fiahiana ny tontolo iainana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *