
Fiomanana amin’ny maintany
Mandroso ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro

Tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, hanome 5MWc amin’ny tapaky ny volana Avrily, ary 15 MWc amin’ny fisasahan’ny volana May 2026, no atsangana eto amin’ny Fokontany Ampitambe, Kaominina Ambohibary, Distrikan’i Moramanga. Hiaraka amin’ny vatoaratra (batterie) 10MWh ity fotodrafitrasa ity, izay hanampy tosika ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA), hitsinjovana indrindra ny maintany 2026.

Hanana tanjaka mitotaly 40MWc ity tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ity, rehefa ho vita tanteraka amin’ny volana Jona 2027. Fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana Malagasy, sy ny sehatra tsy miankina, ny AFRIPOWER no hanatontosana ny ezaka.

Nisy ny fijerena ny fandrosoan’ny asa tety an-toerana, notarihin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa RALITERA Ny Ando Jurice, ny Sabotsy 21 Febroary 2026. Tanjona ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina eto Madagasikara, sy ny fampisitrahana herinaratra ny vahoaka Malagasy.