Mahajanga
Fifanarahana hanatsarana ny famatsiana herinaratra
▶️ Nandalo sy namela takaitra tany amin’ny Faritra Boeny, ny rivodoza Fytia. Misedra olana noho izany ny famatsiana herinaratra ao Mahajanga. Ho famahana ireo sy ho an’ny tombontsoan’ny mpanjifa, dia nanatontosa fivoriana teto amin’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo, teto Ampandrianomby, androany 5 Febroary 2026, ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy amin’ny JIRAMA, ny ENELEC, ary ny HFF.
✅ Tapaka nandritra izany, ny fifanarahana hoenti-mamerina haingana amin’ny laoniny ny tsy fahampiana amin’ny famokarana herinaratra (production), any an-toerana. Miara-dia amin’izany ny ezaka fanafainganana ny fanarenana ireo fotodrafitrasa sy fitaovana amin’ny fitaterana sy fitsinjarana (transport et distribution) simba noho ny rivodoza.
🤝🏼 Fifanomezan-tanana hitsinjovana ny vahoaka, ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P), hampiakarana haingana ny famokarana. Ho tohizana hatramin’ny fiafaran’ny volana May 2026 ny fifanarahana amin’ny orinasa HFF, hanampiana ny ENELEC. Ankilany dia milofo amin’ny ezaka fanarenana ny simba ny JIRAMA. Ny taotrano tsy hefan’ny irery, ary ny firaisankina no hery.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *