Notontosaina anio faha 09 Janoary 2023 ny firahabàna ireo Raiamandreny (Atoa Minisitra, Rtao Sekretera Jeneraly, Atoa Talean’ny Kabinetra ary Atoa Tale Jeneraly) eto anivon’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Ankoranafo nohon’ny fahatratrarana ny taona vaovao 2023. Nisy arak’izany ny fanolorana SOLOMBODIAKOHO sy ny fanomezana maro samihafa. Nisy ihany koa ny fizarana vatomamy avy amin’Atoa Minisitra izay nozaraina tamin’ny mpiara-miasa rehetra. Mirary taona vaovao feno fahombiazana ho antsika rehetra

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *