Noraisin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa RABEARIMANGA Radonirina Lucas teto amin’ny biraony eto Ampandrianomby , androany 7 May 2026, ireo mpiara-miombon’antoka avy amin’ny Vondrona Eoropeanina (Union Européenne) izay notarihin’ny Masoivohony, Atoa Roland KOBIA .
Nifantoka tamin’ny fijerena vahaolana sy ny fampandrosoana ireo tetikasa laharam-pahamehana eo amin’ny sehatry ny angovo eto Madagasikara ny dinikasa .
Anisan’ireo lohahevitra lehibe voaresaka ny :
Fanarenana sy fanatsarana ny JIRAMA
Ireo Tetikasa Volobe sy Sahofika
Fampandrosoana ny Tetikasa PRIRTEM
Fampiroboboana ny angovo azo havaozina
Fanitarana ny fahafahan’ny vahoaka misitraka angovo maharitra sy azo antoka
Manamarika ny fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina izao fihaonana izao, ho fampandrosoana ny sehatry ny angovo sy hanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy.