✳️ Fanitarana ny fampisitrahana angovo
▶️ Fidinana ifotony eto Matsiatra Ambony

✅️ Ny Faritra Matsiatra Ambony no anatontosan’ny Delegasiona tarihin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Atoa RABEARIMANGA Radonirina Lucas, fidinana ifotony nanomboka androany 12 Mey 2026.

❇️ Nisy ny fihaonana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, ka anisan’izany ny Lehiben’ny Faritra. Dinika nifantoka tamin’ny fanitarana ny famatsiana herinaratra sy ny fampitomboana ny tahan’ny vahoaka misitraka izany.

👉 Ho an’ny rahampitso, dia hisy ny fitokanana ny fampidirana herinaratra avy amin’ny masoandro, ao amin’ny tobim-pahasalamana CSB II Ihazoara, Distrikan’i Vohibato. Fiaraha-misalahy amin’ny Tetikasa LEAD, tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena.