Angovo azo havaozina
Fanombohan’ny Tetikasa IED
❇️ Tontosa androany Zoma 26 Avrily 2024 teto amin’ny NOVOTEL Alarobia ny fanombohan’ny fandaharan’asa ho an’ireo mpisehatra hahazo fanohanana amin’ny angovo maharitra na « Incubateur d’Energie Durable »(IED), izay atolotry ny Tetikasa « Financement Intégré pour les Energies Durables » (FIER). Ny tahirim-bola ho an’ny ODD no mamatsy vola. Miara-misalahy amin’ny fanatanterahana kosa ny PNUD, ny UNCDF, ny ONUDI. Nanokatra izao fanombohana ofisialy androany izao, ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa ANDRIANTSOA Thierry.
✅ Tanjona ny fanomezana tan-tsoroka ho an’ireo orinasa madinika na salasalany, sy ireo « start up » maniry hisehatra amin’ny tontolon’ny angovo azo havaozina eto Madagasikara. Fanohanana amin’ny lafiny fiofanana sy ara-bola no hatolotra, ho an’ireo manangana tetikasa.
▶️ Mahatratra 80.000 ny olona hisitraka ny FIER izay Tetikasan’ny Fanjakana Malagasy, eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) ary ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD). Hifaranany taona 2026 moa ny Tetikasa FIER.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *