Fanomanana ny Lalaon’ny Nosy 2023 :
▶️ Ao anaty fiatrehana ny fampivondronana sy fanomanana ny andiany faha-11 amin’ny Lalaon’ny Nosy na « Jeux des Iles de l’Océan Indien » (JIOI) izay hatao eto Madagasikara isika.
➡️ Ho fanohanana ny taranja « Kick Boxing », dia tonga nitsidika, nitondra tosika sy nanome herijika ho an’ireo Atleta androany Alatsinainy 24 Jolay 2023 ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’Afo, Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA, amin’ny maha Minisitra « Coach » miahy ny taranja azy. Ankoatra ny fanomezany tohana, nanome herin-tsaina ho fanampiana ny Ekipantsika Malagasy ; teto amin’ny Castello Anosizato.
⭐ Araka ny fanamby napetraky ny Filoham-pirenena Malagasy, Atoa Andry RAJOELINA dia : « reharehan’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy ny fandraisana ny JIOI, ary anisan’ny hanakoako maneran-tany ny fandraisana ».

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *