✳️ Fanolorana mari-boninahi-pirenena teto amin’ny MEH

✅️ Notanterahina androany Alatsinainy 22 Desambra 2025, teto Ampandrianomby, ny lanonana fanolorana mari-boninahi-pirenena ho an’ireo mpiasa miisa 20 eto anivon’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo (MEH), ho fankasitrahana ny asa sy ny fanoloran-tena nasehon’izy ireo teo amin’ny fanompoana ny Tanindrazana.

 

➡️ Nitsinjara toa izao ireo mari-boninahitra natolotra ho an’izy 20 mianadahy :

 

▶️ 13 Chevaliers de l’Ordre National Malagasy

▶️ 2 Officiers de l’Ordre National Malagasy

▶️ 4 Commandeurs de l’Ordre National Malagasy

▶️ 1 Grand Officier de l’Ordre National Malagasy

 

👉 Nitarika ny lanonana ny mpikambana ao amin’ny Filankevitry ny mari-boninahi-pirenena (Chancelier d’Antananarivo), Atoa Vice-Amiral, RAKOTOARISOA Marie Jean Lucien, notronon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny MEH notarihin’ny Sekretera Jeneraly, Dr RAKOTONANDRASANA Adolphe.

🟩 Nambarany nandritra ny fandraisam-pitenenany, fa fakan-tahaka mendrika ho an’ny mpiara-miasa rehetra ny ohatra tsara nasehon’ireo nahazo mari-boninahi-pireneba, koa manentana ny rehetra hanamafy hatrany ny fanoloran-tena, ny fahitsiana ary ny fahaiza-manao eo amin’ny fanompoana ny Firenena

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *