▶️ Fandriana

🛠 Hamboarina ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rano

✅️ Nidina ifotony nijery ny zava-misy sy ny olana mahazo ny fotodrafitrasa teto amin’ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rano eto Sahamadio Fandriana, ny Delegasiona notarihin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Atoa RABEARIMANGA Radonirina Lucas , androany 14 May 2026 .

 

👉 Marihina fa misy ny tsy fahatomombanana (fuite sur une conduite forcée), ka mampihena ny tanjaky ny famokarana herinaratra raha tokony hanome 700 kW.

 

👉 Misy fahasimbana ihany koa ny milina mpamokatra herinaratra avy amin’ny solika manana tanjaka 240 kW.

 

✳️ Nanome toromarika noho izany Atoa MEH, ka hisy ny fidinanan’ny teknisianina avy amin’ny JIRAMA ny Alatsinainy ho avy izao , hanatanteraka ny asa fanamboarana mba hamerenana haingana amin’ny laoniny ny famokarana herinaratra ho an’ny vahoaka.