Fandrahoana sakafo madio sy mikajy tontolo iainana
🌳🌴🌳 Andao arovantsika ny ala
✅ Tratra ny tanjona amin’ny « Tetikasa Magnasoa ». Fatana mitsitsy (foyers améliorés) 120.000 no nozaraina tamin’ny tokantrano miisa 90.000 tao anatin’ny 7 volana, teto amin’ny Faritra Anosy (Distrikan’ny Taolagnaro, Amboasary Atsimo, Betroka). Tontosa androany 6 Desambra 2025 teto Taolagnaro ny famaranana ny andiany voalohany amin’ny Tetikasa, izay mikendry ny fanovana lehibe eo amin’ny sehatry ny angovo sy ny fomba fahandroana sakafo avy amin’ny angovo madio.
✳️ Tanjona voalohany ny fisorohana ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetry ny andro ary ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fandripahana ny ala. Eo koa ny fiahiana ny lafiny ara-pahasalamana indrindra ho an’ny vehivavy sy ny ankizy ary ny fotoana lany amin’ny fahandroana sakafo. Ho an’ny eto Taolagnaro, dia mahatratra 100 taonina isan’andro ny filàna amin’ny hazo atao kitay sy arina fandrehitra.
👉🏽 Misy karazany roa ny fatana nozaraina, ka misy ny mampiasa kitay, ary misy ny mampiasa arina fandrehitra (saribao). Mampihena hatramin’ny 70% ny fandaniana hazo hanaovana kitay na arina, ary manena hatramin’ny 80% ny entona CO2 anaty tontolo iainana.
🤝🏼 Fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo miaraka amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny Faritra Anosy, ary ireo mpiara-miombon’antoka, dia ny « MadAvance » sy ny « SaniTap » no nentina nanatanteraka izao Tetikasa izao. Porofo amin’ny fahombiazan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina.
❇️ Nitarika ny fotoana androany teto Taolagnaro, ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo (#MEH), Atoa RALITERA Ny Ando Jurice, sy ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (#MEDD) Atoa MANESIMANA Rafanomezantsoa Michaël. Tonga nanotrona ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy teto amin’ny Distrikan’i Taolagnaro, ireo Lehiben’ny Faritra mpisolo toerana Anosy sy Androy, ny Lehiben’ny Prefektioran’i Taolagnaro, ireo Ben’ny Tanàna, ary ny Talen’ny ONG #MadAvance sy ny Filoha Tale Jeneralin’ny #SaniTap.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *