Herinaratra ho an’ny tontolo ambanivohitra
16 MW avy amin’ny Fandaharanasa TANGO
▶️ Anisan’ny tanjona lehibe hapetraka amin’ny taona 2026 ny famolavolana tetikasa hamokarana 16 MW avy amin’ny angovo azo havaozina, hampisitrahana herinaratra ho an’ny tokantrano miisa 160.000 any amin’ny tontolo ambanivohitra, ary ny fitadiavana fampiasam-bola mitentina 240 tapitrisa euros. Miomana amin’ny fanaovana tantsoroka mifandraika amin’ny antso tolobidy ny tetikasa ankehitriny.
✅️ Notanterahina androany 11 Desambra 2025 teto Ampandrianomby ny atrikasa fanolorana ny Fandaharanasa Tosika Angovo (TANGO) ho an’ny taona 2026 . Tanjona ny hametrahana sahady ny drafitra ho an’ny 2027 sy 2028 mba hanafainganana ny fampidirana herinaratra any amin’ny tontolo ambanivohitra.
✳️ Marihina fa tafiditra ao anatin’ny Tetikasa PERER III ny Fandaharanasa TANGO. Nohamafisina nandritra ny atrikasa araka izany ny maha zava-dehibe ny fampidirana ny fomba fiasa mirindra CERI (Electrification Rurale Intégrée), izay mampifandray ireo vahaolana famatsiana herinaratra tsy miankina toy ny tambazotra madinika (mini-réseaux et nano réseaux).
✴️ Ity Fandaharanasa ity dia tohanan’ny Vondrona Eropeana sy ny Governemanta Alemana amin’ny alalan’ny Tetikasa PERER GIZ. Nandray anjara tamin’ny atrikasa ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa RALITERA Ny Ando Jurice.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *