FANAZAVANA MAHAKASIKA NY FAHATAPAHAN-JIRO
Fanazavan’ny Tale Jeneraly lefitra misahana ny famokarana herinaratra, Manda Ny Aina Nomena mahakasika ny fahatapahan-jiro mifandimby eto amin’ny Tambazotra iraisan’Antananarivo izao hariva izao, nohon’ny tsy fahatomombanan’ny iray amin’ireo milina mpamokatra herinaratra ao amin’ny AfriPower (Symbion teo aloha) ao Mandroseza.
Rahampitso alohan’ny ora maha be ny filàna herinaratra no vinavinaina ho vita ny fanamboarana izany milina izany.